I Samuel 18

大卫对扫罗说完了话,约拿单的心与大卫的心深相契合。约拿单爱大卫,如同爱自己的性命。
Ary rehefa nitsahatra niteny tamin'i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin'i Davida ny fanahin'i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.
那日扫罗留住大卫,不容他再回父家。
Ary Saoly nandray azy tamin'izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin'ny tranon-drainy intsony.
约拿单爱大卫如同爱自己的性命,就与他结盟。
Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan'i Jonatana azy toy ny tenany.
约拿单从身上脱下外袍,给了大卫,又将战衣、刀、弓、腰带都给了他。
Ary nesorin'i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an'i Davida mbamin'ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.
扫罗无论差遣大卫往何处去,他都做事精明。扫罗就立他作战士长,众百姓和扫罗的臣仆无不喜悦。
Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin'izay rehetra nanirahan'i Saoly azy; ka dia nataon'i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan'ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon'i Saoly koa.
大卫打死了那非利士人,同众人回来的时候,妇女们从以色列各城里出来,欢欢喜喜,打鼓击磬,歌唱跳舞,迎接扫罗王。
Ary nony tonga ny olona tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin'ny tanànan'ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an'i Saoly mpanjaka tamin'ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.
众妇女舞蹈唱和,说:「扫罗杀死千千,大卫杀死万万。」
Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.
扫罗甚发怒,不喜悦这话,就说:「将万万归大卫,千千归我,只剩下王位没有给他了。」
Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
从这日起,扫罗就怒视大卫。
Ary Saoly hatramin'izany andro izany dia nangarika an'i Davida.
次日,从 神那里来的恶魔大大降在扫罗身上,他就在家中胡言乱语。大卫照常弹琴,扫罗手里拿著枪。
Ary nony ampitson'iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin'Andriamanitra nilatsaka tamin'i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany tahaka ny fanaony isan'andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan'i Saoly.
扫罗把枪一抡,心里说,我要将大卫刺透,钉在墙上。大卫躲避他两次。
Dia natorak'i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an'i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin'ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
扫罗惧怕大卫;因为耶和华离开自己,与大卫同在。
Ary Saoly natahotra an'i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
所以扫罗使大卫离开自己,立他为千夫长,他就领兵出入。
Koa dia nesorin'i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy.
大卫做事无不精明,耶和华也与他同在。
Ary Davida dia hita fa hendry tamin'izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
扫罗见大卫做事精明,就甚怕他。
Ary nony hitan'i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.
但以色列和犹大众人都爱大卫,因为他领他们出入。
Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an'i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.
扫罗对大卫说:「我将大女儿米拉给你为妻,只要你为我奋勇,为耶和华争战。」扫罗心里说:「我不好亲手害他,要借非利士人的手害他。」
Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin'i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan'ny Filistina no hamely azy.)
大卫对扫罗说:「我是谁,我是什么出身,我父家在以色列中是何等的家,岂敢作王的女婿呢?」
Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin'ny raiko ao amin'ny Isiraely, no ho vinanton'ny mpanjaka aho?
扫罗的女儿米拉到了当给大卫的时候,扫罗却给了米何拉人亚得列为妻。
Kanjo nony tamin'ny andro tokony ho namoahana an'i Meraba, zanakavavin'i Saoly, ho vadin'i Davida, dia nomena ho vadin'i Adriela Meholatita izy.
扫罗的次女米甲爱大卫。有人告诉扫罗,扫罗就喜悦。
Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly kosa tia an'i Davida; ary nisy nanambara izany tamin'i Saoly, ka sitrak'i Saoly izany.
扫罗心里说:「我将这女儿给大卫,作他的网罗,好借非利士人的手害他。」所以扫罗对大卫说:「你今日可以第二次作我的女婿。」
(Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan'ny tanan'ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin'i Davida: Fanindroan'ny maha-vinantoko anao izao.
扫罗吩咐臣仆说:「你们暗中对大卫说:『王喜悦你,王的臣仆也都喜爱你,所以你当作王的女婿。』」
Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin'i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian'ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton'ny mpanjaka ianao.
扫罗的臣仆就照这话说给大卫听。大卫说:「你们以为作王的女婿是一件小事吗?我是贫穷卑微的人。」
Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza izany teny izany tamin'i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton'ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
扫罗的臣仆回奏说,大卫所说的如此如此。
Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin'i Davida.
扫罗说:「你们要对大卫这样说:『王不要什么聘礼,只要一百非利士人的阳皮,好在王的仇敌身上报仇。』」扫罗的意思要使大卫丧在非利士人的手里。
Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin'i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr'i Saoly hahafaty an'i Davida amin'ny tanan'ny Filistina izany.
扫罗的臣仆将这话告诉大卫,大卫就欢喜作王的女婿。日期还没有到,
Ary rehefa nambaran'ny mpanompon'i Saoly tamin'i Davida izany teny izany, dia sitrak'i Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr'andro,
大卫和跟随他的人起身前往,杀了二百非利士人,将阳皮满数交给王,为要作王的女婿。于是扫罗将女儿米甲给大卫为妻。
dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan'ny mpanjaka mba hahavinanton'ny mpanjaka azy. Dia nomen'i Saoly ho vadin'i Davida Mikala zananivavy.
扫罗见耶和华与大卫同在,又知道女儿米甲爱大卫,
Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an'i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.
就更怕大卫,常作大卫的仇敌。
Ary dia vao mainka natahotra an'i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon'i Davida mandrakariva izy.
每逢非利士军长出来打仗,大卫比扫罗的臣仆做事精明,因此他的名被人尊重。
Ary ireo andrianan'ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon'i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.