I Peter 1

耶稣基督的使徒彼得写信给那分散在本都、加拉太、加帕多家、亚细亚、庇推尼寄居的,
Petera, Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy
就是照父 神的先见被拣选,借著圣灵得成圣洁,以致顺服耶稣基督,又蒙他血所洒的人。愿恩惠、平安多多的加给你们。
araka ny fahalalana rahateo, izay an'Andriamanitra Ray, amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
愿颂讚归与我们主耶稣基督的父 神!他曾照自己的大怜悯,借耶稣基督从死里复活,重生了我们,叫我们有活泼的盼望,
Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,
可以得著不能朽坏、不能玷污、不能衰残、为你们存留在天上的基业。
ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
你们这因信蒙 神能力保守的人,必能得著所预备、到末世要显现的救恩。
izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
因此,你们是大有喜乐;但如今,在百般的试炼中暂时忧愁,
Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
叫你们的信心既被试验,就比那被火试验仍然能坏的金子更显宝贵,可以在耶稣基督显现的时候得著称讚、荣耀、尊贵。
mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
你们虽然没有见过他,却是爱他;如今虽不得看见,却因信他就有说不出来、满有荣光的大喜乐;
Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
并且得著你们信心的果效,就是灵魂的救恩。
mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
论到这救恩,那预先说你们要得恩典的众先知早已详细的寻求考察,
Ny amin'izany famonjena izany dia notadiavin'ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
就是考察在他们心里基督的灵,预先证明基督受苦难,后来得荣耀,是指著什么时候,并怎样的时候。
eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin'ny Fanahin'i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
他们得了启示,知道他们所传讲(原文是服事)的一切事,不是为自己,乃是为你们。那靠著从天上差来的圣灵传福音给你们的人,现在将这些事报给你们;天使也愿意详细察看这些事。
Ary naseho tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny filazantsara taminareo amin'ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian'ny anjely hodinihina.
所以要约束你们的心(原文是束上你们心中的腰),谨慎自守,专心盼望耶稣基督显现的时候所带来给你们的恩。
Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
你们既作顺命的儿女,就不要效法从前蒙昧无知的时候那放纵私欲的样子。
tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo;
那召你们的既是圣洁,你们在一切所行的事上也要圣洁。
fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra,
因为经上记著说:「你们要圣洁,因为我是圣洁的。」
satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44).
你们既称那不偏待人、按各人行为审判人的主为父,就当存敬畏的心度你们在世寄居的日子,
Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo etỳ ;
知道你们得赎,脱去你们祖宗所传流虚妄的行为,不是凭著能坏的金银等物,
fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,
乃是凭著基督的宝血,如同无瑕疵、无玷污的羔羊之血。
fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
基督在创世以前是预先被 神知道的,却在这末世才为你们显现。
Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo
你们也因著他,信那叫他从死里复活、又给他荣耀的 神,叫你们的信心和盼望都在于 神。
Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.
你们既因顺从真理,洁净了自己的心,以致爱弟兄没有虚假,就当从心里(从心里:有古卷是从清洁的心)彼此切实相爱。
Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo;
你们蒙了重生,不是由于能坏的种子,乃是由于不能坏的种子,是借著 神活泼常存的道。
fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
因为凡有血气的,尽都如草;他的美荣都像草上的花。草必枯干,花必凋谢;
Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
惟有主的道是永存的。所传给你们的福音就是这道。
Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.