I Kings 7

所罗门为自己建造宫室,十三年方才造成;
Ary telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany, dia vita.
又建造黎巴嫩林宫,长一百肘,宽五十肘,高三十肘,有香柏木柱三【原文作四】行,柱上有香柏木柁梁。
Fa nanao ilay trano Alan'i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana mbamin'ny sedera rairainy teo ambonin'ny andry.
其上以香柏木为盖,每行柱子十五根,共有四十五根。
Ary ireo efi-trano teo ambonin'ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin'ny folo isan'andalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.
有窗户三层,窗与窗相对。
Ary ny rairainy dia telo andalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.
所有的门框都是厚木见方的,有窗户三层,窗与窗相对。
Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.
并建造有柱子的廊子,长五十肘,宽三十肘;在这廊前又有廊子,廊外有柱子和台阶。
Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan'io.
又建造一廊,其中设立审判的座位,这廊从地到顶都用香柏木遮蔽。
Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran'ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra.
廊后院内有所罗门住的宫室;工作与这工作相同。所罗门又为所娶法老的女儿建造一宫,做法与这廊子一样。
Ary ny tranony izay nitoerany teo amin'ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin'io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an'ny zanakavavin'i Farao, izay efa nampakariny ho vady.
建造这一切所用的石头都是宝贵的,是按著尺寸凿成的,是用锯里外锯齐的;从根基直到檐石,从外头直到大院,都是如此。
Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin'ny fanambaniny ka hatramin'ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin'ny kianja lehibe.
根基是宝贵的大石头,有长十肘的,有长八肘的;
Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho.
上面有香柏木和按著尺寸凿成宝贵的石头。
Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera;
大院周围有凿成的石头三层、香柏木一层,都照耶和华殿的内院和殿廊的样式。
ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana, tahaka ny amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah sy amin'ny lavarangana fidirana amin'ny trano.
所罗门王差遣人往推罗去,将户兰召了来。
Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an'i Hirama avy tany Tyro.
他是拿弗他利支派中一个寡妇的儿子,他父亲是推罗人,作铜匠的。户兰满有智慧、聪明、技能,善于各样铜作。他来到所罗门王那里,做王一切所要做的。
Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin'ny firenen'i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin'i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.
他制造两根铜柱,每根高十八肘,围十二肘。
Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin'ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy.
又用铜铸了两个柱顶安在柱上,各高五肘。
Ary nanao kapitaly varahina roa anidina izy hatao eo amin'ny tampon'ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony,
柱顶上有装修的网子和拧成的鍊索,每顶七个。
ary harato sy fesitona miolana amin'ny kapitaly izay teo amin'ny tampon'ny andry avy: fito amin'ny kapitaly iray, ary fito koa amin'ny kapitaly iray.
网子周围有两行石榴遮盖柱顶,两个柱顶都是如此。
Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa andalana manodidina tamin'ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin'ny kapitaly iray.
廊子的柱顶径四肘,刻著百合花。
Ary ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin'ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony;
两柱顶的鼓肚上挨著网子,各有两行石榴环绕,两行共有二百。
ary ny kapitaly teo an-tampon'ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony izay anatin'ny harato; ary nisy sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
他将两根柱子立在殿廊前头:右边立一根,起名叫雅斤;左边立一根,起名叫波阿斯。
Ary ny andry dia natsangany teo amin'ny lavarangana fidirana amin'ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza.
在柱顶上刻著百合花。这样,造柱子的工就完毕了。
Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon'ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin'ny andry.
他又铸一个铜海,样式是圆的,高五肘,径十肘,围三十肘。
Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
在海边之下,周围有野瓜的样式;每肘十瓜,共有两行,是铸海的时候铸上的。
Ary tambanin'ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin'ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa andalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin'ny tavin-drano.
有十二只铜牛驮海:三只向北,三只向西,三只向南,三只向东;海在牛上,牛尾都向内。
Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin'ireo, ary niady vody izy rehetra.
海厚一掌,边如杯边,又如百合花,可容二千罢特。
Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.
他用铜制造十个盆座,每座长四肘,宽四肘,高三肘。
Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan'ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.
座的造法是这样:四面都有心子,心子在边子当中,
Ary toy izao ny asa amin'ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin'ny sisiny;
心子上有狮子和牛,并基路伯;边上有小座,狮子和牛以下有垂下的璎珞。
ary tamin'ny kobany izay nohodidinin'ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin'ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin'ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.
每盆座有四个铜轮和铜轴。小座的四角上在盆以下,有铸成的盆架,其旁都有璎珞。
Ary isan'ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin'ny tavin-drano no nisy ny sorony anidina manandrify ny fesitona tsirairay.
小座高一肘,口是圆的,彷彿座的样式,径一肘半,在口上有雕工,心子是方的,不是圆的。
Ary ny vavan'ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin'ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin'io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin'ny faladia, ary tamin'ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.
四个轮子在心子以下,轮轴与座相连,每轮高一肘半。
Ary ny kodia efatra dia teo ambanin'ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin'ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon'ny kodia.
轮的样式如同车轮;轴、辋、辐、毂都是铸的。
Ary ny fomban'ny kodia dia tahaka ny amin'ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.
每座四角上都有盆架,是与座一同铸成的。
Ary nisy sorony efatra tamin'ny zorony efatra amin'ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin'ny fitoeran-tavin-drano ireo.
座上有圆架,高半肘;座上有撑子和心子,是与座一同铸的。
Ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.
在撑子和心子上刻著基路伯、狮子,和棕树,周围有璎珞。
Fa ny koban'ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina.
十个盆座都是这样,铸法、尺寸、样式相同。
Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.
又用铜制造十个盆,每盆可容四十罢特。盆径四肘,在那十座上,每座安设一盆。
Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin'ny fitoerany folo.
五个安在殿门的右边,五个放在殿门的左边;又将海放在殿门的右旁,就是南边。
Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian'ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan'ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.
户兰又造了盆、铲子,和盘子。这样,他为所罗门王做完了耶和华殿的一切工。
Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan'i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah:
所造的就是:两根柱子和柱上两个如球的顶;并两个盖柱顶的网子;
dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,
和四百石榴,安在两个网子上,每网两行,盖著两个柱上如球的顶;
ary ny sarin'ampongabendanitra efa-jato ho amin'ny harato roa, ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry avy,
十个座和其上的十个盆;
ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin'ny fitoerany
海和海下的十二只牛;
ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo teo ambaniny.
盆、铲子、盘子。这一切都是户兰给所罗门王用光亮的铜为耶和华的殿造成的,
ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon'i Hirama ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'1 Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.
是遵王命在约旦平原、疏割和撒拉但中间借胶泥铸成的。
Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana.
这一切所罗门都没有过秤;因为甚多,铜的轻重也无法可查。
Ary tsy nolanjain'i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan'ny varahina.
所罗门又造耶和华殿里的金坛和陈设饼的金桌子;
Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin'ny tranon'i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran'ny mofo aseho,
内殿前的精金灯台:右边五个,左边五个,并其上的金花、灯盏、蜡剪,
ary ny fanaovan-jiro, dimy amin'ny ankavanana ary dimy amin'ny ankavia, teo anoloan'ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
与精金的杯、盘、镊子、调羹、火鼎,以及至圣所、内殿的门枢,和外殿的门枢。
ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.
所罗门王做完了耶和华殿的一切工,就把他父大卫分别为圣的金银和器皿都带来放在耶和华殿的府库里。
Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.