I Kings 3

所罗门与埃及王法老结亲,娶了法老的女儿为妻,接她进入大卫城,直等到造完了自己的宫和耶和华的殿,并耶路撒冷周围的城墙。
Ary Solomona tonga vinanton'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin'i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan'i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon'i Jehovah ary ny màndan'i Jerosalema manodidina.
当那些日子,百姓仍在邱坛献祭,因为还没有为耶和华的名建殿。
Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho an'ny anaran'i Jehovah hatramin'izany andro izany.
所罗门爱耶和华,遵行他父亲大卫的律例,只是还在邱坛献祭烧香。
Ary Solomona tia an'i Jehovah ka nizotra araka ny dian'i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.
所罗门王上基遍去献祭;因为在那里有极大【或作出名】的邱坛,他在那坛上献一千牺牲作燔祭。
Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza; ka fanatitra dorana arivo no naterin'i Solomona teo amin'izany alitara izany.
在基遍,夜间梦中,耶和华向所罗门显现,对他说:「你愿我赐你什么?你可以求。」
Tao Gibeona no nisehoan'i Jehovah tamin'i Solomona tamin'ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao.
所罗门说:「你仆人─我父亲大卫用诚实、公义、正直的心行在你面前,你就向他大施恩典,又为他存留大恩,赐他一个儿子坐在他的位上,正如今日一样。
Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin'ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian'ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany tahaka ny amin'izao anio izao.
耶和华─我的 神啊,如今你使仆人接续我父亲大卫作王;但我是幼童,不知道应当怎样出入。
Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an'i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra.
仆人住在你所拣选的民中,这民多得不可胜数。
Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin'ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany.
所以求你赐我智慧,可以判断你的民,能辨别是非。不然,谁能判断这众多的民呢?」
Koa omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao?
所罗门因为求这事,就蒙主喜悦。
Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan'i Solomona izany zavatra izany;
 神对他说:「你既然求这事,不为自己求寿、求富,也不求灭绝你仇敌的性命,单求智慧可以听讼,
ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao,
我就应允你所求的,赐你聪明智慧,甚至在你以前没有像你的,在你以后也没有像你的。
dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao.
你所没有求的,我也赐给你,就是富足、尊荣,使你在世的日子,列王中没有一个能比你的。
Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka tahaka anao amin'ny andronao rehetra.
你若效法你父亲大卫,遵行我的道,谨守我的律例、诫命,我必使你长寿。」
Ary raha handeha amin'ny lalako ianao ka hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny nandehanan'i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona ianao.
所罗门醒了,不料是个梦。他就回到耶路撒冷,站在耶和华的约柜前,献燔祭和平安祭,又为他众臣仆设摆筵席。
Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy.
一日,有两个妓女来,站在王面前。
Ary tamin'izany dia nisy vehivavy janga roa nankao amin'ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany.
一个说:「我主啊,我和这妇人同住一房;她在房中的时候,我生了一个男孩。
Ary hoy ilay vehivavy anankiray: Trarantitra ianao, tompokolahy, izaho sy ity vehivavy ity miray trano; ary teraka tao an-trano aho, sady tao koa izy.
我生孩子后第三日,这妇人也生了孩子。我们是同住的,除了我们二人之外,房中再没有别人。
Ary nony efa velona hateloana aho, dia mba velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany.
夜间,这妇人睡著的时候,压死了她的孩子。
Ary maty tamin'ny alina ny zanak'izavavy ity, fa voatsindriny.
她半夜起来,趁我睡著,从我旁边把我的孩子抱去,放在她怀里,将她的死孩子放在我怀里。
Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin'ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako.
天要亮的时候,我起来要给我的孩子吃奶,不料,孩子死了;及至天亮,我细细地察看,不是我所生的孩子。」
Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako.
那妇人说:「不然,活孩子是我的,死孩子是你的。」这妇人说:「不然,死孩子是你的,活孩子是我的。」她们在王面前如此争论。
Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. izany no teniny teo anatrehan'ny mpanjaka.
王说:「这妇人说『活孩子是我的,死孩子是你的』,那妇人说『不然,死孩子是你的,活孩子是我的』」,
Ary hoy ny mpanjaka: Ny anankiray manao hoe: Ity velona no zanako. ary ny maty no zanakao; ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako.
就吩咐说:「拿刀来!」人就拿刀来。
Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Ary nentiny ny sabatra ho eo anatrehan'ny mpanjaka.
王说:「将活孩子劈成两半,一半给那妇人,一半给这妇人。」
Ary hoy ny mpanjaka: Sasaho ny zaza velona, ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho an'ny anankiray kosa ny antsasany.
活孩子的母亲为自己的孩子心里急痛,就说:「求我主将活孩子给那妇人吧,万不可杀他!」那妇人说:「这孩子也不归我,也不归你,把他劈了吧!」
Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy.
王说:「将活孩子给这妇人,万不可杀他;这妇人实在是他的母亲。」
Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny.
以色列众人听见王这样判断,就都敬畏他;因为见他心里有 神的智慧,能以断案。
Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.