I Kings 21

这事以后,又有一事。耶斯列人拿伯在耶斯列有一个葡萄园,靠近撒马利亚王亚哈的宫。
Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria.
亚哈对拿伯说:「你将你的葡萄园给我作菜园,因为是靠近我的宫;我就把更好的葡萄园换给你,或是你要银子,我就按著价值给你。」
Ary Ahaba niteny tamin'i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin'ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao.
拿伯对亚哈说:「我敬畏耶和华,万不敢将我先人留下的产业给你。」
Fa hoy Nabota tamin'i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako.
亚哈因耶斯列人拿伯说「我不敢将我先人留下的产业给你」,就闷闷不乐地回宫,躺在床上,转脸向内,也不吃饭。
Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain'i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
王后耶洗别来问他说:「你为什么心里这样忧闷,不吃饭呢?」
Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina ianao?
他回答说:「因我向耶斯列人拿伯说:『你将你的葡萄园给我,我给你价银,或是你愿意,我就把别的葡萄园换给你』;他却说:『我不将我的葡萄园给你。』」
Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin'i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.
王后耶洗别对亚哈说:「你现在是治理以色列国不是?只管起来,心里畅畅快快地吃饭,我必将耶斯列人拿伯的葡萄园给你。」
Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin'ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita.
于是托亚哈的名写信,用王的印印上,送给那些与拿伯同城居住的长老贵冑。
Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahaba, ka notombohiny tamin'ny fanombohan-kasen'andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin'ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin'i Nabota.
信上写著说:「你们当宣告禁食,叫拿伯坐在民间的高位上,
Ary izao no nosoratany tao amin'ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan'ny olona Nabota.
又叫两个匪徒坐在拿伯对面,作见证告他说:『你谤渎 神和王了』;随后就把他拉出去用石头打死。」
Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
那些与拿伯同城居住的长老贵冑得了耶洗别的信,就照信而行,
Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan'i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin'ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy.
宣告禁食,叫拿伯坐在民间的高位上。
Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka nametraka an'i Nabota teo anatrehan'ny olona.
有两个匪徒来,坐在拿伯的对面,当著众民作见证告他说:「拿伯谤渎 神和王了!」众人就把他拉到城外,用石头打死。
Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an'i Nabota teo anatrehan'ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin'ny olona nivoaka teny ivelan'ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty.
于是打发人去见耶洗别,说:「拿伯被石头打死了。」
Dia naniraka tany amin'i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty.
耶洗别听见拿伯被石头打死,就对亚哈说:「你起来得耶斯列人拿伯不肯为价银给你的葡萄园吧!现在他已经死了。」
Ary rehefa ren'i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty.
亚哈听见拿伯死了,就起来,下去要得耶斯列人拿伯的葡萄园。
Ary rehefa ren'i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin'ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy.
耶和华的话临到提斯比人以利亚说:
Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe:
「你起来,去见住撒马利亚的以色列王亚哈,他下去要得拿伯的葡萄园,现今正在那园里。
Miaingà, ka midìna hihaona amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy.
你要对他说:『耶和华如此说:你杀了人,又得他的产业吗?』又要对他说:『耶和华如此说:狗在何处舔拿伯的血,也必在何处舔你的血。』」
Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain'i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ao amin'ny tany izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota no hilelafan'ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.
亚哈对以利亚说:「我仇敌啊,你找到我吗?」他回答说:「我找到你了;因为你卖了自己,行耶和华眼中看为恶的事。
Ary hoy Ahaba tamin'i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah.
耶和华说:『我必使灾祸临到你,将你除尽。凡属你的男丁,无论困住的、自由的,都从以色列中剪除。
Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin'ny taranak'i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely.
我必使你的家像尼八的儿子耶罗波安的家,又像亚希雅的儿子巴沙的家;因为你惹我发怒,又使以色列人陷在罪里。
Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely.
论到耶洗别,耶和华也说:『狗在耶斯列的外郭必吃耶洗别的肉。
Ary ny amin'i Jezebela koa dia nolazain'i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an'i Jezebela eny ivelan'ny màndan'i Jezirela.
凡属亚哈的人,死在城中的必被狗吃,死在田野的必被空中的鸟吃。』」
Izay tamingan'i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina.
(从来没有像亚哈的,因他自卖,行耶和华眼中看为恶的事,受了王后耶洗别的耸动;
Fa tsy nisy tahaka an'i Ahaba,izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, satria nampirisihin'i Jezebela vadiny izy.
就照耶和华在以色列人面前所赶出的亚摩利人,行了最可憎恶的事,信从偶像。)
Ary izy nanao vetaveta loatra tamin'ny 1 nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon'ny Amorita. izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
亚哈听见这话,就撕裂衣服,禁食,身穿麻布,睡卧也穿著麻布,并且缓缓而行。
Ary rehefa ren'i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
耶和华的话临到提斯比人以利亚说:
Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe:
「亚哈在我面前这样自卑,你看见了吗?因他在我面前自卑,他还在世的时候,我不降这祸;到他儿子的时候,我必降这祸与他的家。」
Hitanao va ny nanetren'i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy. dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin'ny androny; fa any amin'ny andron'ny zanany vao hahatonga loza amin'ny taranany Aho.