I Kings 17

基列寄居的提斯比人以利亚对亚哈说:「我指著所事奉永生耶和华─以色列的 神起誓,这几年我若不祷告,必不降露,不下雨。」
Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
耶和华的话临到以利亚说:
Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy nanao hoe:
「你离开这里往东去,藏在约旦河东边的基立溪旁。
Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan'ny renirano Kerita, izay any atsinanan'i Jordana.
你要喝那溪里的水,我已吩咐乌鸦在那里供养你。」
Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.
于是以利亚照著耶和华的话,去住在约旦河东的基立溪旁。
Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin'i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny renirano Kerita any atsinanan'i Jordana.
乌鸦早晚给他叼饼和肉来,他也喝那溪里的水。
Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no nisotroany.
过了些日子,溪水就干了,因为雨没有下在地上。
Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian'ny ranonorana tamin'ny tany.
耶和华的话临到他说:
Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe:
「你起身往西顿的撒勒法【撒勒法与路四26同】去,住在那里;我已吩咐那里的一个寡妇供养你。」
Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.
以利亚就起身往撒勒法去。到了城门,见有一个寡妇在那里捡柴,以利亚呼叫她说:「求你用器皿取点水来给我喝。」
Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao. itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba hosotroiko.
她去取水的时候,以利亚又呼叫她说:「也求你拿点饼来给我!」
Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho.
她说:「我指著永生耶和华─你的 神起誓,我没有饼,罈内只有一把面,瓶里只有一点油;我现在找两根柴,回家要为我和我儿子做饼;我们吃了,死就死吧!」
Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.
以利亚对她说:「不要惧怕!可以照你所说的去做吧!只要先为我做一个小饼拿来给我,然后为你和你的儿子做饼。
Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.
因为耶和华─以色列的 神如此说:罈内的面必不减少,瓶里的油必不缺短,直到耶和华使雨降在地上的日子。」
Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany.
妇人就照以利亚的话去行。她和她家中的人,并以利亚,吃了许多日子。
Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany.
罈内的面果不减少,瓶里的油也不缺短,正如耶和华借以利亚所说的话。
Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia.
这事以后,作那家主母的妇人,她儿子病了;病得甚重,以致身无气息。
Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy.
妇人对以利亚说:「神人哪,我与你何干?你竟到我这里来,使 神想念我的罪,以致我的儿子死呢?」
Dia hoy ravehivavy tamin'i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô ? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako ?
以利亚对她说:「把你儿子交给我。」以利亚就从妇人怀中将孩子接过来,抱到他所住的楼中,放在自己的床上,
Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany.
就求告耶和华说:「耶和华─我的 神啊,我寄居在这寡妇的家里,你就降祸与她,使她的儿子死了吗?」
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany?
以利亚三次伏在孩子的身上,求告耶和华说:「耶和华─我的 神啊,求你使这孩子的灵魂仍入他的身体!」
Dia niampatra intelo tamin'ny zaza izy sady nitaraina tamin'i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain'ity zaza ity.
耶和华应允以利亚的话,孩子的灵魂仍入他的身体,他就活了。
Ary Jehovah nihaino ny feon'i Elia, dia nody taminy indray ny ain'ny zaza, ka dia velona izy.
以利亚将孩子从楼上抱下来,进屋子交给他母亲,说:「看哪,你的儿子活了!」
Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao..
妇人对以利亚说:「现在我知道你是神人,耶和华借你口所说的话是真的。」
Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i Jehovah aloaky ny vavanao.