I Kings 16

耶和华的话临到哈拿尼的儿子耶户,责备巴沙说:
Ary tonga tamin'i Jeho, zanak'i Hanany, ny tenin'i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
「我既从尘埃中提拔你,立你作我民以色列的君,你竟行耶罗波安所行的道,使我民以色列陷在罪里,惹我发怒,
Satria nasandratro avy tamin'ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin'ny fahotany,
我必除尽你和你的家,使你的家像尼八的儿子耶罗波安的家一样。
dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'Jeroboama, zanak'i Nebata.
凡属巴沙的人,死在城中的必被狗吃,死在田野的必被空中的鸟吃。」
Koa izay tamingan'i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina.
巴沙其余的事,凡他所行的和他的勇力,都写在以色列诸王记上。
Ary ny tantaran'i Basa sisa mbamin'izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
巴沙与他列祖同睡,葬在得撒。他儿子以拉接续他作王。
Ary Basa lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.
耶和华的话临到哈拿尼的儿子先知耶户,责备巴沙和他的家,因他行耶和华眼中看为恶的一切事,以他手所做的惹耶和华发怒,像耶罗波安的家一样,又因他杀了耶罗波安的全家。
Ary Jeho mpaminany zanak'i Hanany, dia nampitondraina ny tenin'i Jehovah ny amin'i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin'ny asan'ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin'i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.
犹大王亚撒二十六年,巴沙的儿子以拉在得撒登基作以色列王共二年。
Tamin'ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Elaha, zanak'i Basa, tamin'ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy.
有管理他一半战车的臣子心利背叛他。当他在得撒家宰亚杂家里喝醉的时候,
Ary Zimry mpanompony, komandin'ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon'i Arza, lehiben'ny tao an-dapa tao Tirza, izy.
心利就进去杀了他,篡了他的位。这是犹大王亚撒二十七年的事。
Dia niditra Zimry ka namely an'i Elaha ho faty tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.
心利一坐王位就杀了巴沙的全家,连他的亲属、朋友也没有留下一个男丁。
Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin'ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin'i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza. na tamin'ny havany, na tamin'ny sakaizany.
心利这样灭绝巴沙的全家,正如耶和华借先知耶户责备巴沙的话。
Toy izany no nandringanan'i Zimry ny mpianakavin'i Basa rehetra, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jehovah mpaminany ny amin'i Basa,
这是因巴沙和他儿子以拉的一切罪,就是他们使以色列人陷在罪里的那罪,以虚无的神惹耶和华─以色列 神的怒气。
noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan'i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny zava-poanany.
以拉其余的事,凡他所行的,都写在以色列诸王记上。
Ary ny tantaran'i Elaha sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
犹大王亚撒二十七年,心利在得撒作王七日。那时民正安营围攻非利士的基比顿。
Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an'i Gibetona, izay an'ny Filistina.
民在营中听说心利背叛,又杀了王,故此以色列众人当日在营中立元帅暗利作以色列王。
Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an'i Omry, komandin'ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan'ny Isiraely.
暗利率领以色列众人,从基比顿上去,围困得撒。
Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an'i Tirza.
心利见城破失,就进了王宫的卫所,放火焚烧宫殿,自焚而死。
Ary nony hitan'i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin'ny trano avo amin'ny lapa izy, ary nodorany tamin'ny afo ny lapa. ka may tao izy, dia maty
这是因他犯罪,行耶和华眼中看为恶的事,行耶罗波安所行的,犯他使以色列人陷在罪里的那罪。
noho ny fahotana izay nataony tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah, tamin'ny nandehanany tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.
心利其余的事和他背叛的情形都写在以色列诸王记上。
Ary ny tantaran'i Zimry sisa mbamin'ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
那时,以色列民分为两半:一半随从基纳的儿子提比尼,要立他作王;一半随从暗利。
Ary tamin'izany dia nizara roa ny lehilahy amin'ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak'i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an'i Omry.
但随从暗利的民胜过随从基纳的儿子提比尼的民。提比尼死了,暗利就作了王。
Fa ny olona izay nomba an'i Omry naharesy ny olona izay nomba an'i Tibny, zanak'i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.
犹大王亚撒三十一年,暗利登基作以色列王共十二年;在得撒作王六年。
Tamin'ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Omry; ary nanjaka roa ambin'ny folo taona tamin'ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona.
暗利用二他连得银子向撒玛买了撒马利亚山,在山上造城,就按著山的原主撒玛的名,给所造的城起名叫撒马利亚。
Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin'i Samera ny havoan'i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon'ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran'i Samera, tompon'ny havoana, ny anaran'ny tanàna.
暗利行耶和华眼中看为恶的事,比他以前的列王作恶更甚。
Fa Omry nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy;
因他行了尼八的儿子耶罗波安所行的,犯他使以色列人陷在罪里的那罪,以虚无的神惹耶和华─以色列 神的怒气。
fa nandeha tamin'ny lalana rehetra nalehan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tamin'ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny zava-poanany.
暗利其余的事和他所显出的勇力都写在以色列诸王记上。
Ary ny tantaran'i Omry sisa mbamin'izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
暗利与他列祖同睡,葬在撒马利亚。他儿子亚哈接续他作王。
Ary Omry lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.
犹大王亚撒三十八年,暗利的儿子亚哈登基作了以色列王。暗利的儿子亚哈在撒马利亚作以色列王二十二年。
Ary Ahaba, zanak'i Omry, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy.
暗利的儿子亚哈行耶和华眼中看为恶的事,比他以前的列王更甚,
Ary Ahaba, zanak'i Omry, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany.
犯了尼八的儿子耶罗波安所犯的罪;他还以为轻,又娶了西顿王谒巴力的女儿耶洗别为妻,去事奉敬拜巴力,
Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata. ka dia nampakatra an'i Jezebela, zanakavavin'i Etibala, mpanjakan'ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an'i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
在撒马利亚建造巴力的庙,在庙里为巴力筑坛。
Ary nanao alitara ho an'i Bala tao amin'ny tranon'i Bala izay nataony tao Samaria izy.
亚哈又做亚舍拉,他所行的惹耶和华─以色列 神的怒气,比他以前的以色列诸王更甚。
Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra izay teo alohany.
亚哈在位的时候,有伯特利人希伊勒重修耶利哥城;立根基的时候,丧了长子亚比兰;安门的时候,丧了幼子西割,正如耶和华借嫩的儿子约书亚所说的话。
Tamin'ny andron'i Ahaba no nanorenan'i Hiela Betelita an'i Jeriko; ny ain'i Abìrama lahimatoany no sazin'ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sazin'ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Josoa, zanak'i Nona.