I Kings 11

所罗门王在法老的女儿之外,又宠爱许多外邦女子,就是摩押女子、亚扪女子、以东女子、西顿女子、赫人女子。
Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin'i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
论到这些国的人,耶和华曾晓谕以色列人说:「你们不可与她们往来相通,因为她们必诱惑你们的心去随从她们的神。」所罗门却恋爱这些女子。
dia vehivavy avy amin'ny firenena izay nolazain'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin'ireo no niraiketan'ny fitiavan'i Solomona.
所罗门有妃七百,都是公主;还有嫔三百。这些妃嫔诱惑他的心。
Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.
所罗门年老的时候,他的妃嫔诱惑他的心去随从别神,不效法他父亲大卫诚诚实实地顺服耶和华─他的 神。
Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy.
因为所罗门随从西顿人的女神亚斯她录和亚扪人可憎的神米勒公。
Fa Solomona nanaraka an'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan'ny Amonita.
所罗门行耶和华眼中看为恶的事,不效法他父亲大卫专心顺从耶和华。
Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana Azy tahaka an'i Davida rainy.
所罗门为摩押可憎的神基抹和亚扪人可憎的神摩洛,在耶路撒冷对面的山上建筑邱坛。
Ary tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
他为那些向自己的神烧香献祭的外邦女子,就是他娶来的妃嫔也是这样行。
Ary toy izany koa no nataony ho an'izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny.
耶和华向所罗门发怒,因为他的心偏离向他两次显现的耶和华─以色列的 神。
Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa
耶和华曾吩咐他不可随从别神,他却没有遵守耶和华所吩咐的。
sady efa nandidy azy ny amin'izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah izy.
所以耶和华对他说:「你既行了这事,不遵守我所吩咐你守的约和律例,我必将你的国夺回,赐给你的臣子。
Ka dia hoy Jehovah tamin'i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.
然而,因你父亲大卫的缘故,我不在你活著的日子行这事,必从你儿子的手中将国夺回。
Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako aminy.
只是我不将全国夺回,要因我仆人大卫和我所选择的耶路撒冷,还留一支派给你的儿子。」
Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
耶和华使以东人哈达兴起,作所罗门的敌人;他是以东王的后裔。
Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an'i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan'ny mpanjakan'i Edoma.
先前大卫攻击以东,元帅约押上去葬埋阵亡的人,将以东的男丁都杀了。
Fa rehefa nanafika an'i Edoma Davida, ary Joaba, komandin'ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany
约押和以色列众人在以东住了六个月,直到将以东的男丁尽都剪除。
(fa enim-bolana no nitoeran'i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),
那时哈达还是幼童;他和他父亲的臣仆,几个以东人逃往埃及。
dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin'izay.
他们从米甸起行,到了巴兰;从巴兰带著几个人来到埃及见埃及王法老;法老为他派定粮食,又给他房屋田地。
Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
哈达在法老面前大蒙恩惠,以致法老将王后答比匿的妹子赐他为妻。
Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason'i Farao, ka dia ny rahavavin'i Tapanesa, vadin'ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.
答比匿的妹子给哈达生了一个儿子,名叫基努拔。答比匿使基努拔在法老的宫里断奶,基努拔就与法老的众子一同住在法老的宫里。
Ary ny rahavavin'i Tapanesa niteraka zazalahy tamin'i Hadada, dia Genobata, izay notazan'i Tapanesa tao an-tranon'i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin'ny zanakalahin'i Farao tao an-dapa.
哈达在埃及听见大卫与他列祖同睡,元帅约押也死了,就对法老说:「求王容我回本国去。」
Ary rehefa ren'i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin'ny razany, sady maty koa Joaba, komandin'ny miaramila, dia hoy izy tamin'i Farao: Alefaso aho hody any amin'ny tanin-drazako.
法老对他说:「你在我这里有什么缺乏,你竟要回你本国去呢?」他回答说:「我没有缺乏什么,只是求王容我回去。」
Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin'ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.
 神又使以利亚大的儿子利逊兴起,作所罗门的敌人。他先前逃避主人琐巴王哈大底谢。
Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an'i Solomona, dia Rezona, zanak'i Eliada, izay efa nandositra an'i Hadadezera tompony, mpanjakan'i Zoba.
大卫击杀琐巴人的时候,利逊招聚了一群人,自己作他们的头目,往大马士革居住,在那里作王。
Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin'ny namonoan'i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
所罗门活著的时候,哈达为患之外,利逊也作以色列的敌人。他恨恶以色列人,且作了亚兰人的王。
Ary izy koa dia fahavalon'ny Isiraely tamin'ny andron'i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon'i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
所罗门的臣仆、尼八的儿子耶罗波安也举手攻击王。他是以法莲支派的洗利达人,他母亲是寡妇,名叫洗鲁阿。
Ary Jerobeama, zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon'i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka.
他举手攻击王的缘故,乃由先前所罗门建造米罗,修补他父亲大卫城的破口。
Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka: Solomona nanorina an'i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan'i Davida rainy;
耶罗波安是大有才能的人。所罗门见这少年人殷勤,就派他监管约瑟家的一切工程。
ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan'i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak'i Josefa tamin'ny fanompoany rehetra.
一日,耶罗波安出了耶路撒冷,示罗人先知亚希雅在路上遇见他;亚希雅身上穿著一件新衣。他们二人在田野,以外并无别人。
Ary tamin'izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.
亚希雅将自己穿的那件新衣撕成十二片,
Dia noraisin'i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin'ny folo.
对耶罗波安说:「你可以拿十片。耶和华─以色列的 神如此说:『我必将国从所罗门手里夺回,将十个支派赐给你。
Ary hoy izy tamin'i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin'ny tànan'i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo
(我因仆人大卫和我在以色列众支派中所选择的耶路撒冷城的缘故,仍给所罗门留一个支派。)
(nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin'i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely),
因为他离弃我,敬拜西顿人的女神亚斯她录、摩押的神基抹,和亚扪人的神米勒公,没有遵从我的道,行我眼中看为正的事,守我的律例典章,像他父亲大卫一样。
satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr'i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak'i Amona, fa tsy nandeha tamin'ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an'i Davida rainy.
但我不从他手里将全国夺回;使他终身为君,是因我所拣选的仆人大卫谨守我的诫命律例。
Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin'ny andro rehetra hiainany noho ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;
我必从他儿子的手里将国夺回,以十个支派赐给你,
fa hesoriko eo an-tànan'ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.
还留一个支派给他的儿子,使我仆人大卫在我所选择立我名的耶路撒冷城里,在我面前长有灯光。
Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an'i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
我必拣选你,使你照心里一切所愿的,作王治理以色列。
Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fanahinao ary ho mpanjaka amin'ny Isiraely.
你若听从我一切所吩咐你的,遵行我的道,行我眼中看为正的事,谨守我的律例诫命,像我仆人大卫所行的,我就与你同在,为你立坚固的家,像我为大卫所立的一样,将以色列人赐给你。
Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.
我必因所罗门所行的使大卫后裔受患难,但不至于永远。』」
Ary hampietry ny taranak'i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.
所罗门因此想要杀耶罗波安。耶罗波安却起身逃往埃及;到了埃及王示撒那里,就住在埃及,直到所罗门死了。
Ary Solomona nitady hamono an'i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin'i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin'i Solomona.
所罗门其余的事,凡他所行的和他的智慧都写在所罗门记上。
Ary ny tantaran'i Solomona sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Solomona va izany?
所罗门在耶路撒冷作以色列众人的王共四十年。
Ary ny andro nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona.
所罗门与他列祖同睡,葬在他父亲大卫的城里。他儿子罗波安接续他作王。
Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.