I Kings 1

大卫王年纪老迈,虽用被遮盖,仍不觉暖。
Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana.
所以臣仆对他说:「不如为我主我王寻找一个处女,使她伺候王,奉养王,睡在王的怀中,好叫我主我王得暖。」
Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan'ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin'ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko.
于是在以色列全境寻找美貌的童女,寻得书念的一个童女亚比煞,就带到王那里。
Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra izy ka nahita an'i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin'ny mpanjaka.
这童女极其美貌,她奉养王,伺候王,王却没有与她亲近。
Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy.
那时,哈及的儿子亚多尼雅自尊,说:「我必作王」,就为自己预备车辆、马兵,又派五十人在他前头奔走。
Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
他父亲素来没有使他忧闷,说:「你是做什么呢?」他甚俊美,生在押沙龙之后。
Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao ? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma.
亚多尼雅与洗鲁雅的儿子约押,和祭司亚比亚他商议;二人就顺从他,帮助他。
Ary efa niresaka tamin'i Joaba, zanak'i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin'i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.
但祭司撒督、耶何耶大的儿子比拿雅、先知拿单、示每、利以,并大卫的勇士都不顺从亚多尼雅。
Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia.
一日,亚多尼雅在隐‧罗结旁、琐希列磐石那里宰了牛羊、肥犊,请他的诸弟兄,就是王的众子,并所有作王臣仆的犹大人;
Ary Adonia namono ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby mifahy teo anilan'ny vato Zoheleta tanilan'i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, mpanompon'ny mpanjaka;
惟独先知拿单和比拿雅并勇士,与他的兄弟所罗门,他都没有请。
fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy.
拿单对所罗门的母亲拔示巴说:「哈及的儿子亚多尼雅作王了,你没有听见吗?我们的主大卫却不知道。
Ary Natana niteny tamin'i Batseba, renin'i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak'i Hagita, nefa tsy fantatr'i Davida tompontsika akory izany?
现在我可以给你出个主意,好保全你和你儿子所罗门的性命。
Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain'i Solomona zanakao.
你进去见大卫王,对他说:『我主我王啊,你不曾向婢女起誓说:你儿子所罗门必接续我作王,坐在我的位上么?现在亚多尼雅怎么作了王呢?』
Mandehana mankany amin'i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka?
你还与王说话的时候,我也随后进去,证实你的话。」
Ary raha mbola miteny amin'ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.
拔示巴进入内室见王,王甚老迈,书念的童女亚比煞正伺候王。
Ary Batseba dia nankao amin'ny mpanjaka tao amin'ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.
拔示巴向王屈身下拜;王说:「你要什么?」
Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?
她说:「我主啊,你曾向婢女指著耶和华─你的 神起誓说:『你儿子所罗门必接续我作王,坐在我的位上。』
Dia hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
现在亚多尼雅作王了,我主我王却不知道。
Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.
他宰了许多牛羊、肥犊,请了王的众子和祭司亚比亚他,并元帅约押;惟独王的仆人所罗门,他没有请。
Ary efa namono omby sy zanak'omby mifahy ary ondry aman'osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin'ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
我主我王啊,以色列众人的眼目都仰望你,等你晓谕他们,在我主我王之后谁坐你的位。
Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô. ny mason'ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.
若不然,到我主我王与列祖同睡以后,我和我儿子所罗门必算为罪人了。」
Fa rehefa lasa modi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.
拔示巴还与王说话的时候,先知拿单也进来了。
Ary raha mbola niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, dia. indro, niditra koa Natana mpaminany.
有人奏告王说:「先知拿单来了。」拿单进到王前,脸伏于地。
Ary nisy nanambara amin'ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
拿单说:「我主我王果然应许亚多尼雅说『你必接续我作王,坐在我的位上』吗?
Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
他今日下去,宰了许多牛羊、肥犊,请了王的众子和军长,并祭司亚比亚他;他们正在亚多尼雅面前吃喝,说:『愿亚多尼雅王万岁!』
Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak'omby mifahy sy ondry aman'osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny komandin'ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
惟独我,就是你的仆人和祭司撒督,耶何耶大的儿子比拿雅,并王的仆人所罗门,他都没有请。
Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
这事果然出乎我主我王吗?王却没有告诉仆人们,在我主我王之后谁坐你的位。」
Moa avy tamin'ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao?
大卫王吩咐说:「叫拔示巴来。」拔示巴就进来,站在王面前。
Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankatỳ amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany
王起誓说:「我指著救我性命脱离一切苦难、永生的耶和华起誓。
Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin'ny fahoriana rehetra,
我既然指著耶和华─以色列的 神向你起誓说:你儿子所罗门必接续我作王,坐在我的位上。我今日就必照这话而行。」
dia tahaka ilay nianianako tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
于是,拔示巴脸伏于地,向王下拜,说:「愿我主大卫王万岁!」
Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!
大卫王又吩咐说:「将祭司撒督、先知拿单、耶何耶大的儿子比拿雅召来!他们就都来到王面前。
Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak'i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy telo lahy.
王对他们说:「要带领你们主的仆人,使我儿子所罗门骑我的骡子,送他下到基训;
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midina any Gihona izy.
在那里,祭司撒督和先知拿单要膏他作以色列的王;你们也要吹角,说:『愿所罗门王万岁!』
Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan'ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
然后要跟随他上来,使他坐在我的位上,接续我作王。我已立他作以色列和犹大的君。」
Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy. satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.
耶何耶大的儿子比拿雅对王说:「阿们!愿耶和华─我主我王的 神也这样命定。
Ary Benaja, zanak'i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko.
耶和华怎样与我主我王同在,愿他照样与所罗门同在,使他的国位比我主大卫王的国位更大。」
Toy ny nomban'i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an'i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan'i Solomona.
于是,祭司撒督、先知拿单、耶何耶大的儿子比拿雅,和基利提人、比利提人都下去使所罗门骑大卫王的骡子,将他送到基训。
Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an'i Solomona ny ampondravavin'i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.
祭司撒督就从帐幕中取了盛膏油的角来,用膏膏所罗门。人就吹角,众民都说:「愿所罗门王万岁!」
Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
众民跟随他上来,且吹笛,大大欢呼,声音震地。
Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony.
亚多尼雅和所请的众客筵宴方毕,听见这声音;约押听见角声就说:「城中为何有这响声呢?」
Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon'ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?
他正说话的时候,祭司亚比亚他的儿子约拿单来了。亚多尼雅对他说:「进来吧!你是个忠义的人,必是报好信息。」
Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak'i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao.
约拿单对亚多尼雅说:「我们的主大卫王诚然立所罗门为王了。
Fa Jonatana niteny ka nanao tamin'i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an'i Solomona tokoa ho mpanjaka.
王差遣祭司撒督、先知拿单、耶何耶大的儿子比拿雅,和基利提人、比利提人都去使所罗门骑王的骡子。
Ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin'ireo ny ampondravavin'ny mpanjaka izy.
祭司撒督和先知拿单在基训已经膏他作王。众人都从那里欢呼著上来,声音使城震动,这就是你们所听见的声音;
Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.
并且所罗门登了国位。
Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana.
王的臣仆也来为我们的主大卫王祝福,说:『愿王的 神使所罗门的名比王的名更尊荣;使他的国位比王的国位更大。』王就在床上屈身下拜。
Ary dia tonga koa ny mpanompon'ny mpanjaka hisaotra an'i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon'Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka
王又说:『耶和华─以色列的 神是应当称颂的;因他赐我一人今日坐在我的位上,我也亲眼看见了。』」
ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako androany, sady hitan'ny masoko koa izany.
亚多尼雅的众客听见这话就都惊惧,起来四散。
Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain'i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin'izay nalehany avy izy rehetra.
亚多尼雅惧怕所罗门,就起来,去抓住祭坛的角。
Ary Adonia koa natahotra an'i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.
有人告诉所罗门说:「亚多尼雅惧怕所罗门王,现在抓住祭坛的角,说:『愿所罗门王今日向我起誓,必不用刀杀仆人。』
Ary nambara tamin'i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an'i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin'ny sabatra.
所罗门说:「他若作忠义的人,连一根头发也不致落在地上;他若行恶,必要死亡。」
Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.
于是所罗门王差遣人,使亚多尼雅从坛上下来,他就来,向所罗门王下拜;所罗门对他说:「你回家去吧!」
Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.