I Corinthians 6

你们中间有彼此相争的事,怎敢在不义的人面前求审,不在圣徒面前求审呢?
Misy aminareo va, raha manana ady amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan'ny olona masina?
岂不知圣徒要审判世界吗?若世界为你们所审,难道你们不配审判这最小的事吗?
Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo?
岂不知我们要审判天使吗?何况今生的事呢?
Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.
既是这样,你们若有今生的事当审判,是派教会所轻看的人审判吗?
Koa raha misy hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?
我说这话是要叫你们羞耻。难道你们中间没有一个智慧人能审断弟兄们的事吗?
Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny?
你们竟是弟兄与弟兄告状,而且告在不信主的人面前。
Fa ny rahalahy mandeha hiady amin'ny rahalahiny, na dia hotsarain'ny tsy mino aza.
你们彼此告状,这已经是你们的大错了。为什么不情愿受欺呢?为什么不情愿吃亏呢?
Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo?
你们倒是欺压人、亏负人,况且所欺压所亏负的就是弟兄。
Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.
你们岂不知不义的人不能承受 神的国吗?不要自欺!无论是淫乱的、拜偶像的、奸淫的、作娈童的、亲男色的、
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita
偷窃的、贪婪的、醉酒的、辱骂的、勒索的,都不能承受 神的国。
sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
你们中间也有人从前是这样;但如今你们奉主耶稣基督的名,并借著我们 神的灵,已经洗净,成圣,称义了。
Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.
凡事我都可行,但不都有益处。凡事我都可行,但无论那一件,我总不受它的辖制。
Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
食物是为肚腹,肚腹是为食物;但 神要叫这两样都废坏。身子不是为淫乱,乃是为主;主也是为身子。
Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena.
并且 神已经叫主复活,也要用自己的能力叫我们复活。
Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin'ny heriny.
岂不知你们的身子是基督的肢体吗?我可以将基督的肢体作为娼妓的肢体吗?断乎不可!
Tsy fantatrareo va fa momba ny tena'i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan'i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan'ny vehivavy janga? Sanatria izany!
岂不知与娼妓联合的,便是与她成为一体吗?因为主说﹕二人要成为一体。
Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin'ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
但与主联合的,便是与主成为一灵。
Fa izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.
你们要逃避淫行。人所犯的,无论什么罪,都在身子以外,惟有行淫的,是得罪自己的身子。
Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany.
岂不知你们的身子就是圣灵的殿吗?这圣灵是从 神而来,住在你们里头的;并且你们不是自己的人;
Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo.
因为你们是重价买来的。所以,要在你们的身子上荣耀 神。
Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.