I Corinthians 14

你们要追求爱,也要切慕属灵的恩赐,其中更要羨慕的,是作先知讲道(原文作:是说预言;下同)
Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany
那说方言的,原不是对人说,乃是对 神说,因为没有人听出来。然而,他在心灵里却是讲说各样的奥祕。
Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
但作先知讲道的,是对人说,要造就、安慰、劝勉人。
fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana.
说方言的,是造就自己;作先知讲道的,乃是造就教会。
Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana.
我愿意你们都说方言,更愿意你们作先知讲道;因为说方言的,若不繙出来,使教会被造就,那作先知讲道的,就比他强了。
Tiako raha samy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan'ny fiangonana fampandrosoana.
弟兄们,我到你们那里去,若只说方言,不用启示,或知识,或预言,或教训,给你们讲解,我与你们有什么益处呢?
Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?
就是那有声无气的物,或箫,或琴,若发出来的声音没有分别,怎能知道所吹所弹的是什么呢?
Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin'ny sodina, na amin'ny lokanga?
若吹无定的号声,谁能预备打仗呢?
Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?
你们也是如此。舌头若不说容易明白的话,怎能知道所说的是什么呢?这就是向空说话了。
Dia toy izany koa ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin'ny rivotra ianareo.
世上的声音,或者甚多,却没有一样是无意思的。
Misy fiteny maro samy hafa amin'izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.
我若不明白那声音的意思,这说话的人必以我为化外之人,我也以他为化外之人。
Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin'izay miteny, ary izay miteny ho vaka amiko kosa.
你们也是如此,既是切慕属灵的恩赐,就当求多得造就教会的恩赐。
Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.
所以那说方言的,就当求著能繙出来。
Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
我若用方言祷告,是我的灵祷告,但我的悟性没有果效。
Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.
这却怎么样呢?我要用灵祷告,也要用悟性祷告;我要用灵歌唱,也要用悟性歌唱。
Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.
不然,你用灵祝谢,那在座不通方言的人,既然不明白你的话,怎能在你感谢的时候说阿们呢?
Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.
你感谢的固然是好,无奈不能造就别人。
Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.
我感谢 神,我说方言比你们众人还多。
Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho;
但在教会中,宁可用悟性说五句教导人的话,强如说万句方言。
nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra.
弟兄们,在心志上不要作小孩子。然而,在恶事上要作婴孩,在心志上总要作大人。
Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin'ny fahalalana; raha amin'ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin'ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.
律法上记著:主说:我要用外邦人的舌头和外邦人的嘴唇向这百姓说话;虽然如此,他们还是不听从我。
Voasoratra amin'ny lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah (Isa. 28. 11, 12).
这样看来,说方言不是为信的人作证据,乃是为不信的人;作先知讲道不是为不信的人作证据,乃是为信的人。
Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino.
所以,全教会聚在一处的时候,若都说方言,偶然有不通方言的,或是不信的人进来,岂不说你们癫狂了吗?
Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo?
若都作先知讲道,偶然有不信的,或是不通方言的人进来,就被众人劝醒,被众人审明,
Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra;
他心里的隐情显露出来,就必将脸伏地,敬拜 神,说: 神真是在你们中间了。
ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.
弟兄们,这却怎么样呢?你们聚会的时候,各人或有诗歌,或有教训,或有启示,或有方言,或有繙出来的话,凡事都当造就人。
Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
若有说方言的,只好两个人,至多三个人,且要轮流著说,也要一个人繙出来。
Raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.
若没有人繙,就当在会中闭口,只对自己和 神说就是了。
Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin'ny fiangonana; fa aoka hiteny amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra ihany izy.
至于作先知讲道的,只好两个人或是三个人,其余的就当慎思明辨。
Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra.
若旁边坐著的得了启示,那先说话的就当闭口不言。
Fa raha misy tsindrian'ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany;
因为你们都可以一个一个的作先知讲道,叫众人学道理,叫众人得劝勉。
fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran'izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra;
先知的灵原是顺服先知的;
ary ny fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany.
因为 神不是叫人混乱,乃是叫人安静。
Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotronana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonan'ny olona masina rehetra,
妇女在会中要闭口不言,像在圣徒的众教会一样,因为不准她们说话。她们总要顺服,正如律法所说的。
dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain'ny lalàna koa.
她们若要学什么,可以在家里问自己的丈夫,因为妇女在会中说话原是可耻的。
Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.
 神的道理岂是从你们出来吗?岂是单临到你们吗?
Avy aminareo va no nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
若有人以为自己是先知,或是属灵的,就该知道,我所写给你们的是主的命令。
Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
若有不知道的,就由他不知道吧!
Fa raha misy tsy mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.
所以我弟兄们,你们要切慕作先知讲道,也不要禁止说方言。
Koa amin'izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra;
凡事都要规规矩矩的按著次序行。
kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.