I Chronicles 29

大卫王对会众说:「我儿子所罗门是 神特选的,还年幼娇嫩;这工程甚大,因这殿不是为人,乃是为耶和华 神建造的。
Ary hoy Davida mpanjaka tamin'ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin'Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an'olona, fa ho an'i Jehovah Andriamanitra.
我为我 神的殿已经尽力,预备金子做金器,银子做银器,铜做铜器,铁做铁器,木做木器,还有红玛瑙可镶嵌的宝石,彩石和一切的宝石,并许多汉白玉。
Ary tamin'ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon'Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.
且因我心中爱慕我 神的殿,就在预备建造圣殿的材料之外,又将我自己积蓄的金银献上,建造我 神的殿,
Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon'Andriamanitro dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitra, ho fanampin'ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,
就是俄斐金三千他连得、精鍊的银子七千他连得,以贴殿墙。
dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin'ny rindrin'ny isan-efi-trano,
金子做金器,银子做银器,并借匠人的手制造一切。今日有谁乐意将自己献给耶和华呢?」
ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon'ny tanan'ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an'i Jehovah anio?
于是,众族长和以色列各支派的首领、千夫长、百夫长,并监管王工的官长,都乐意献上。
Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan'ny fianakaviana sy ny lehiben'ny firenen'Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin'ny mpitandrina ny raharahan'ny mpanjaka
他们为 神殿的使用献上金子五千他连得零一万达利克,银子一万他连得,铜一万八千他连得,铁十万他连得。
ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin'ny tranon'Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy.
凡有宝石的都交给革顺人耶歇,送入耶和华殿的府库。
Ary izay nanana vato soa dia nanome azy no amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah, hotehirizin'i Jehiela Gersonita.
因这些人诚心乐意献给耶和华,百姓就欢喜,大卫王也大大欢喜。
Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan'ireo, fa tamin'ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an'i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.
所以,大卫在会众面前称颂耶和华说:「耶和华─我们的父,以色列的 神是应当称颂,直到永永远远的!
Koa dia nisaotra an'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr'Isiraely razanay, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
耶和华啊,尊大、能力、荣耀、强胜、威严都是你的;凡天上地下的都是你的;国度也是你的,并且你为至高,为万有之首。
Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
丰富尊荣都从你而来,你也治理万物。在你手里有大能大力,使人尊大强盛都出于你。
Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.
我们的 神啊,现在我们称谢你,讚美你荣耀之名!
Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.
「我算什么,我的民算什么,竟能如此乐意奉献?因为万物都从你而来,我们把从你而得的献给你。
Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
我们在你面前是客旅,是寄居的,与我们列祖一样。我们在世的日子如影儿,不能长存【或作没有长存的指望】。
Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana.
耶和华─我们的 神啊,我们预备这许多材料,要为你的圣名建造殿宇,都是从你而来,都是属你的。
Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an'ny anaranao masina ireto dia avy tamin'ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.
我的 神啊,我知道你察验人心,喜悦正直;我以正直的心乐意献上这一切物。现在我喜欢见你的民在这里都乐意奉献与你。
Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin'ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin'ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
耶和华─我们列祖亚伯拉罕、以撒、以色列的 神啊,求你使你的民常存这样的心思意念,坚定他们的心归向你,
Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon'ny olonao mandrakizay izany fikasan'ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;
又求你赐我儿子所罗门诚实的心,遵守你的命令、法度、律例,成就这一切的事,用我所预备的建造殿宇。」
ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.
大卫对全会众说:「你们应当称颂耶和华─你们的 神。」于是会众称颂耶和华─他们列祖的 神,低头拜耶和华与王。
Ary hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah sy ny mpanjaka.
次日,他们向耶和华献平安祭和燔祭,就是献公牛一千只,公绵羊一千只,羊羔一千只,并同献的奠祭;又为以色列众人献许多的祭。那日,他们在耶和华面前吃喝,大大欢乐。
Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah nony ampitson'iny, dia vantotr'ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak'ondry arivo mbamin'ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an'ny Isiraely rehetra.
他们奉耶和华的命再膏大卫的儿子所罗门作王,又膏撒督作祭司。
Ary nihinana sy nisotro tamin'ny fifaliana be teo anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak'i Davida, sady nohosorany ho an'i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
于是所罗门坐在耶和华所赐的位上,接续他父亲大卫作王,万事亨通;以色列众人也都听从他。
Ary Solomona dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.
众首领和勇士,并大卫王的众子,都顺服所罗门王。
Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak'i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an'i Solomona mpanjaka.
耶和华使所罗门在以色列众人眼前甚为尊大,极其威严,胜过在他以前的以色列王。
Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely.
耶西的儿子大卫作以色列众人的王,
Toy izany no nanjakan'i Davida, zanak'i Jese, tamin'ny Isiraely rehetra.
作王共四十年:在希伯崙作王七年,在耶路撒冷作王三十三年。
Ary ny andro nanjakany tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
他年纪老迈,日子满足,享受丰富、尊荣,就死了。他儿子所罗门接续他作王。
Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.
大卫王始终的事都写在先见撒母耳的书上和先知拿单并先见迦得的书上。
Ary ny tantaran'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpahita sy ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany ary ao amin'ny bokin'i Gada mpahita izany,
他的国事和他的勇力,以及他和以色列并列国所经过的事都写在这书上。
mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin'ny ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny tany.