I Chronicles 24

亚伦子孙的班次记在下面:亚伦的儿子是拿答、亚比户、以利亚撒、以他玛。
Ary ny amin'ny taranak'i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;
拿答、亚比户死在他们父亲之先,没有留下儿子;故此,以利亚撒、以他玛供祭司的职分。
fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.
以利亚撒的子孙撒督和以他玛的子孙亚希米勒,同著大卫将他们的族弟兄分成班次。
Ary Davida sy Zadoka, isan'ny taranak'i Eleazara, sy Ahimeleka, isan'ny taranak'Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
以利亚撒子孙中为首的比以他玛子孙中为首的更多,分班如下:以利亚撒的子孙中有十六个族长,以他玛的子孙中有八个族长;
Ary ny lohany tamin'ireo, dia tamin'ny taranak'i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin'ny taranak'Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin'ny taranak'i Eleazara dia enina ambin'ny folo no lohan'ny fianakaviana; ary tamin'ny taranak'Itamara dia valo kosa no lohan'ny fianakaviana.
都掣籤分立,彼此一样。在圣所和 神面前作首领的有以利亚撒的子孙,也有以他玛的子孙。
Ary samy nozarazaraina tamin'ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masina, dia mpifehy ho an'Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin'ny taranak'i Eleazara, na ny avy tamin'ny taranak'Itamara.
作书记的利未人拿坦业的儿子示玛雅在王和首领,与祭司撒督、亚比亚他的儿子亚希米勒,并祭司利未人的族长面前记录他们的名字。在以利亚撒的子孙中取一族,在以他玛的子孙中取一族。
Ary Semaia, zanak'i Netanela, mpanoratra anankiray tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an'i Eleazara, ary iray kosa ho an'Itamara.
掣籤的时候,第一掣出来的是耶何雅立,第二是耶大雅,
Ny loka voalohany dia azon'i Joariba, ny faharoa an'i Jedaia,
第三是哈琳,第四是梭琳,
ny fahatelo an'i Harima, ny fahefatra an'i Seorima,
第五是玛基雅,第六是米雅民,
ny fahadimy an'i Malkia, ny fahenina an'i Miamina,
第七是哈歌斯,第八是亚比雅,
ny fahafito an'i Hakoza, ny fahavalo an'i Abia,
第九是耶书亚,第十是示迦尼,
ny fahasivy an'i Jesoa, ny fahafolo an'i Sekania.
第十一是以利亚实,第十二是雅金,
ny fahiraika ambin'ny folo an'i Eliasiba, ny faharoa ambin'ny folo an'i Jakima,
第十三是胡巴,第十四是耶是比押,
ny fahatelo ambin'ny folo an'i Hopa, ny fahefatra ambin'ny folo an'i Jesebaba,
第十五是璧迦,第十六是音麦,
ny fahadimy ambin'ny folo an'i Bilga, ny fahenina ambin'ny folo an'Imera,
第十七是希悉,第十八是哈辟悉,
ny fahafito ambin'ny folo an'i Hezira, ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hafizeza,
第十九是毗他希雅,第二十是以西结,
ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela,
第二十一是雅斤,第二十二是迦末,
ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola,
第二十三是第来雅,第二十四是玛西亚。
ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia.
这就是他们的班次,要照耶和华─以色列的 神借他们祖宗亚伦所吩咐的条例进入耶和华的殿办理事务。
Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.
利未其余的子孙如下:暗兰的子孙里有书巴业;书巴业的子孙里有耶希底亚。
Ary tamin'ny taranak'i Levy sisa dia izao; Tamin'ny taranak'i Amrama dia Sobaela; tamin'ny zanak'i Sobaela dia Jedala.
利哈比雅的子孙里有长子伊示雅。
Ny amin'i Rehabia: tamin'ny taranak'i Rehabia dia Jisia no voalohany.
以斯哈的子孙里有示罗摩;示罗摩的子孙里有雅哈。
Tamin'ny Jizarita dia Selomota; tamin'ny taranak'i Selomota dia Jahata.
希伯伦的子孙里有长子耶利雅,次子亚玛利亚,三子雅哈悉,四子耶加面。
Ary ny amin'ny taranak'i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.
乌薛的子孙里有米迦;米迦的子孙里有沙密。
Ny zanakalahin'i Oziela dia Mika; tamin'ny taranak'i Mika dia Samira;
米迦的兄弟是伊示雅;伊示雅的子孙里有撒迦利雅。
ny rahalahin'i Mika dia Jisia; tamin'ny taranak'i Jisia dia Zakaria.
米拉利的儿子是抹利、母示、雅西雅;雅西雅的儿子有比挪;
Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin'i Jazia dia Beno.
米拉利的子孙里有雅西雅的儿子比挪、朔含、撒刻、伊比利。
Ny zanakalahin'i Merary tamin'i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.
抹利的儿子是以利亚撒;以利亚撒没有儿子。
Avy tamin'i Maly no nihavian'i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.
基士的子孙里有耶拉篾。
Ny amin'i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.
母示的儿子是末力、以得、耶利摩。按著宗族这都是利未的子孙。
Ary ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.
他们在大卫王和撒督,并亚希米勒与祭司利未人的族长面前掣籤,正如他们弟兄亚伦的子孙一般。各族的长者与兄弟没有分别。
Ary ireo dia mba niara-niloka tamin'ny rahalahiny, taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.