I Chronicles 23

大卫年纪老迈,日子满足,就立他儿子所罗门作以色列的王。
Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin'ny Isiraely.
大卫招聚以色列的众首领和祭司利未人。
Ary novoriny ny lehiben'ny Isiraely rehetra mbamin'ny mpisorona sy ny Levita.
利未人从三十岁以外的都被数点,他们男丁的数目共有三万八千;
Ary nisaina ny Levita hatramin'ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan'ny lehilahy.
其中有二万四千人管理耶和华殿的事,有六千人作官长和士师,
Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao an-tranon'i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
有四千人作守门的,又有四千人用大卫所做的乐器颂讚耶和华。
ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'i Jehovah amin'ny zavatra namboariko hiderana Azy.
大卫将利未人革顺、哥辖、米拉利的子孙分了班次。
Ary nozarazarain'i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin'i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
革顺的子孙有拉但和示每。
Tamin'ny Gersonita dia Ladana sy Simey.
拉但的长子是耶歇,还有细坦和约珥,共三人。
Ny zanakalahin'i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.
示每的儿子是示罗密、哈薛、哈兰三人。这是拉但族的族长。
Ny zanakalahin'i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin'ny fianakavian'i Ladana.
示每的儿子是雅哈、细拿、耶乌施、比利亚共四人。
Ary ny zanakalahin'i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin'i Simey.
雅哈是长子,细撒是次子。但耶乌施和比利亚的子孙不多,所以算为一族。
Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.
哥辖的儿子是暗兰、以斯哈、希伯伦、乌薛共四人。
Ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.
暗兰的儿子是亚伦、摩西。亚伦和他的子孙分出来,好分别至圣的物,在耶和华面前烧香、事奉他,奉他的名祝福,直到永远。
Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin'ny anarany mandrakizay.
至于神人摩西,他的子孙名字记在利未支派的册上。
Nefa ny amin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia nisaina tamin'ny firenen'i Levy ihany ny zanany.
摩西的儿子是革舜和以利以谢。
Ny zanakalahin'i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
革舜的长子是细布业;
Tamin'ny zanakalahin'i Gersona dia Seboela no lohany.
以利以谢的儿子是利哈比雅。以利以谢没有别的儿子,但利哈比雅的子孙甚多。
Ary tamin'ny zanakalahin'i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak'i Rehabia dia maro indrindra.
以斯哈的长子是示罗密。
Tamin'ny zanakalahin'i Jizara dia Selomota no lohany.
希伯伦的长子是耶利雅,次子是亚玛利亚,三子是雅哈悉,四子是耶加面。
Ny zanakalahin'i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.
乌薛的长子是米迦,次子是耶西雅。
Ny zanakalahin'i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.
米拉利的儿子是抹利、母示。抹利的儿子是以利亚撒、基士。
Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin'i Maly dia Eleazara sy Kisy.
以利亚撒死了,没有儿子,只有女儿,他们本族基士的儿子娶了她们为妻。
Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin'i Kisy havany no nanambady ireo.
母示的儿子是末力、以得、耶利摩共三人。
Ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.
以上利未子孙作族长的,照著男丁的数目,从二十岁以外,都办耶和华殿的事务。
Ireo no zanakalahin'i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
大卫说:「耶和华─以色列的 神已经使他的百姓平安,他永远住在耶路撒冷。
Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an'ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.
利未人不必再抬帐幕和其中所用的一切器皿了。」
Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
照著大卫临终所吩咐的,利未人从二十岁以外的都被数点。
Fa araka ny fara-tenin'i Davida dia nisaina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.
他们的职任是服事亚伦的子孙,在耶和华的殿和院子,并屋中办事,洁净一切圣物,就是办 神殿的事务,
Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak'i Arona amin'ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah amin'ireo kianja sy efi-trano tao ary amin'ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra,
并管理陈设饼,素祭的细面,或无酵薄饼,或用盘烤,或用油调和的物,又管理各样的升斗尺度;
ary amin'ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin'ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin'izay endasina amin'ny lapoely sy amin'izay vonton-diloilo ary amin'ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
每日早晚,站立称谢讚美耶和华,
ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an'i Jehovah, ary toy izany koa amin'ny hariva,
又在安息日、月朔,并节期,按数照例,将燔祭常常献给耶和华;
ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an'i Jehovah na amin'ny Sabata, na amin'ny voaloham-bolana, na amin'ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
又看守会幕和圣所,并守耶和华吩咐他们弟兄亚伦子孙的,办耶和华殿的事。
Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.